Tena lasa tantara mitohy ny amin’ity resaka labatoara hoe lasan’ny teratany sinoa etsy Ankadindratombo Kaominin’Alasora ity
. Fantatra mantsy izao fa hanomboka anio, araka ny fitoriana nataon’ny Hafari Malagasy tarihan’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, ny fanadihadiana ataon’ny Bianco na ny Birao Mahaleo Tena Miady amin’ny Kolikoly mikasika ity raharaha ity. Tsy hilefitra mihitsy izahay, hoy ity filohan’ny Hafari Malagasy ity, ary manana porofo azo aseho raha ilaina, fa an’ny vahoaka io fananana io fa tsy ana tompon’andraikitry ny tanàna ka nahoana no tsy nanaovana tolo-bidy ny famarotana ity toerana ity ? Aleo mba hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna, hoy izy, fa tsy natao ho an’ny madinika fotsiny ka ny mpanao hala-botry tonga dia mihinana any am-ponja fa ny tremalahy manaotao foana afaka miriaria tsy kasihan-keloka fa tsy mati-manota. Marihako, hoy Atoa Jean Nirina, fa misy fepetra tsy voahaja amin’ity resaka famarotana ny labatoara etsy Ankadindratombo ity ka tena manome tombondahiny ny Sinoa. Raha voalaza mantsy, hoy izy, fa 150 tapitrisa ar no nividianan’ny Sinoa ity toerana ity, ireo mpandrahara mpamongady malagasy kosa efa sahy 250 tapitrisa ar ka nahagaga ny tsy nanaovana tolo-bidy ny resaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.