Actualités

Krismasy Tsy naresaka ny fety, kivy ny mpivarotra


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana dia nilamina tsy nahitana toe-draharaha na tsy filaminana i Toamasina, ankoatra ireo ady madinika izay efa mahazatra noho ny hamamoana sy disadisam-piarahamonina.

Ho an’ny vondrona polisy FIP tamin’ny alalan’ny komandany dia nanamarika fa «fisahanana filaminana madinika no sahaninay nandritra ny fetin’ny krismasy. Tsy nivoaka loatra ny fianakaviana fa samy nanao fety tany an-tranony avokoa noho ny tahotry ny asan-jiolahy izay mirongatra amin’ny vanim-potoan’ny fety tahaka izao». Tsy nahasarika olona koa ny fiangonana nandritra ny alin’ny krismasy teo, vitsy tsy toy ny isan-taona ireo namonjy trano fivavahana. Ireo mba namonjy izany kosa tsy naharitra ela fa namonjy fodiana avy hatrany vao vita ny tena fivavahana fa tsy niandry ireo antsan-kira sy tantara mampalaza ny fetin’ny krismasy, araka ny tenin’ity raim-pianakaviana ity hoe «ny tena zava-dehibe dia ny fiderana ny nahaterahan’ny Mpamonjy miaraka amin’ny ankohonana, saingy tsy azo atao tsirambina ny filaminana izay tsy mikely sorika koa ny jiolahy mandrava ny nangonina nandritra izay herintaona izay».

Ho an’ny fiangonana Notre Dame de Lourde kosa, ny fanaovan’ireto tokantrano telo mariazy miara-mizotra no nampiavaka ny alin’ny krismasy. Ho an’ny mpivarotra kosa dia hakiviana no hita teo amin’izy ireo, nambaran’izy ireo izay nanontaniana fa «tena mahantra ny Malagasy ankehitriny. Tsy mandeha mihitsy ny tsena na efa ny mason-karena aza no namarotana ny entana namidy. Ny mpanontany no betsaka fa ireo sahy mividy vitsy dia vitsy». Ho an’ireo mpivarotra akoho amam-borona kosa dia nambaran’izy ireo fa «aleo atao braderie ny entana fa tena tsy mandeha, mila miverina fotsiny ny masonkarena nampiasaina dia ampy izay fa tena tsy manam-bola ny vahoaka». Vokany, na efa «braderie» natao ho 10.000 hatramin’ny 20.000 ariary ny iray amin’ireo vorona ny 25 desambra teo (20.000 hatramin’ny 50.000 ariary raha ny tena vidiny), dia mbola «nihisatra ihany ny fandehan’ny tsena», hoy hatrany ireo mpivarotra.

Raha ny teny anivon’ny hopitaly kosa, tamin’ireo an-jatony niditra hopitaly ny faran’ny herinandron’ny fetin’ny krismasy, dia ny tazo sy ny fiakarana hafanana ary ny tosi-dra avokoa ny ankamaroan’ireo niditra teny. «Vokatry ny hafanana be loatra eto Toamasina, sy ny firongatry ny moka amin’izao andro mafana izao ary ny loto vokatry ny voankazo sy ny fako miparitaka etsy sy eroa mampirogatra ny mikraoba sy ny moka, no mahabe ny aretina amin’izao fotoana izao», tamin’ity taona ity. «Tsy hita taratra ireo marary vokatry ny sakafo sy ny toaka». Voatsabo avokoa ireo izay niditra «urgence» rehetra, “ny fanafody ihany koa nofenoina sy natao ampy tsara», hoy ireo mpitsabo nanontaniana. Ankoatra izay, dia mbola nahasarika olona ny moron-dranomasina, na tsy betsaka tahaka ny isan-taona aza no nisafidy izany, noho ny fandriampahalemana tsy dia tsara loatra tato ho ato tao Toamasina. Toraka izany koa ny fakana sary miaraka amin’ny dadabe noely eo amin’ny tany malalaka anoloan’ny Lapan’ny tanàna, izay tara be tamin’ity taona ity noho ny antony teo anivon’ny fahazoan-dalan’ny Kaominina. Ilay hazo noely efa mahazatra ny olona tao anatin’ny taona maro teo amin’ny «rond point»-n’ny araben’ny fahaleovantena aza, efa ny 25 desambra antoandro vao napetraka, izay voalaza fa «tsy laharam-pahamehana ho an’ny ekipan’ny PDS» ka saika tsy nisy tamin’ity taona ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT