Manoloana ny resabe mahakasika ny orinasa Kraoma ho ao ambadiky ny fanimbana ny lalam-pirenena faha-44 dia nitondra fanampim-panazavana misimisy kokoa momba izany ny Tale jeneralin'ny orinasa Kraoma Atoa Rakotoarisoa Arsène Jean de Dieu
. Nambarany fa mampiasa ny lalam-pirenena faha-44 ny orinasa Kraoma ankehitriny, tsy izy irery anefa fa eo ihany koa ireo mpitatitra hazo na entana hafa, avy any Ambatondrazaka. Nisy ny fifampiraharahana mialoha tamin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny hampiasan' ny Kraoma ny lalam-pirenena faha-44 fa handoa ny “Taxe de roulage” amin'ny Faritra ny orinasa hikarakarana ny lalana. Nanambara anefa ny Faritra fa ny vola aloan'ny Kraoma amin'izy ireo dia tsy hahavitana hikarakarana ny lalana velively fa aleo ny orinasa Kraoma handefa ny fiara vaventiny sy ny fitaovany ary ny mpiasany hikarakara ny lalana ary izay no ataon'ny Kraoma amin'izao fotoana ka ireo mpitatitra tao amin'ny Kraoma teo aloha ihany no mandray anjara amin'ny fikojakojana io lalam-pirenena io. Nidina tany an-toerana nanafaingana ny hamitana io fikojakojana io, nanalana ny fotaka nahafahan’ny fiara mifamoivoy ny depioten’Ambatondrazaka, Andriamasimanana Auréline. Noho ny tsy fahafahan'ny orinasa Madarail mitatitra firy intsony ny vokany no nahatonga ny Kraoma hampiasa ny lalam-pirenena faha-44. Raha iray alina taonina isan-taona mantsy no heverina hotaterin’ny orinasa Madarail amin'izao dia tsy mahavita afa-tsy efatra arivo taonina monja. Nilaza ny Tale jeneraly fa efa miarin-doha tanteraka ny orinasa Kraoma noho izany satria raha ny kaomandy ao anatin 'ny 2 taona dia efa azon' ny orinasa tao antin'ny 3 volana monja.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.