Actualités

Kortezin’ny Praiminisitra nandona zaza Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ivandry


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Fiara iray an’ny polisy, marika Toyota Yaris, takelaka mena, sady misy ireny “gyrophares” ary misy soratra “police” fa tsy nisy laharana no nitera-doza teny anoloan’ny La City Ivandry omaly takariva tokony ho tamin’ny 7 ora mahery kely teo.

 

 

 Nisy fitohanana ka  nanao “contre sens” na nizotra tamin’ny lalana mifanohitra amin’ny tokony hizorana. Nifaoka ankizikely roa niampita avy eo, ka nitsipatsipatsipaka sy naratra teo. Ireny mpanokatra lalana ireny izy io, izay niaraka tamina fiara tsy mataho-dalana marika V8 miloko fotsy, nitondra ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mbola nitsoaka nandositra ihany koa ilay fiara nahadona olona, ka notohanan’ny vahoaka ilay fiara mba tsy hihetsika kanefa na ny olona nanakana sy nilaza taminy hoe misy zaza nitsitra ireo aza nohitsiany, hoy hatrany ireo nanatri-maso. Tsy afa-niala ihany anefa avy eo, ary voatery nijanona. Rehefa novohaina ilay fiara, dia nahitana tavoahangina toaka sy vera maromaro tao anatiny, raha ny nambaran’ireo nahita ifotony, ka vao mainka nampiakatra ny hatezeram-bahoaka. Navadika ilay fiara, ary ny solika very teo ihany no notsilarana afo, ka may tsy nisy noraisina intsony, raha to aka fa afa-niala ny mety ho fitsaram-bahoaka kosa ireo olona tao anatiny. Ankoatra ny fiara mpitondra marary sy ny mpamonjy voina, izay tsy maintsy homen-dalana dia ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny filohana andrim-panjakana roa, dia ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena ihany no manana zo amin’ireny kortezy ireny.Nanamarina ny vaovao moa ny sampan seraseran’ny primatiora, ary nilaza fa efa any amin’ny hopitaly ireo ankizy voadona, ka ny iray efa tsy misy atahorana intsony ny ainy fa ilya iray hafa kosa somary voa mafy. Ekena hoe mety fitandroana ny ain’ny Praiminisitra , saingy mba misy kosa ny fitandremana sy mba fanajana ny hafa, efa iaraha-mahita ny fahamaroan’ny olona mifamoivoy amin’ny arabe eto an-drenivohitra ka na manampahefana aza ianao, mila mitandrina sy mailo foana fa tsy hoe manao izay tiana rehetra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT