Nampiantso mpanao gazety tetsy Mahamasina omaly takariva ireo filohana klioba telo mpikambana ao anatin’ilay Komity Mpitantana ny Barean’i Madagasikara ka nanambara ofisialy fa miala tsy ho mpikambana ao anatin’ity rafitra ity intsony noho ny fisian’ny tsy fitoviam-pijery eo amin-dry zareo sy ny eo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra.
Resaka fanapahan-kevitra noraisin’ireo tonga nivory ny alarobia teo teny amin’ny kianjan’Alarobia mikasika ny hanatanterahana ny lalaon’ny Barea sy ny Oganda eo amin’ny fifanintsanana CAN 2015 any Mahajanga ny 18 mey no fototry ny olona. Efa nilaza ny tenako, hoy Atoa Rasoamaromaka Hery filohan’ity komity ity fa aleo aloha hiandry ireo namana tsy mbola eo vao handray fanapahan-kevitra.
Izahay no miala amin’ny fitantanana fa ny fiaraha-miasa amin’ny federasiona kosa tsy tapaka ho anay telo tonta.
Toa tsy araka ny nifanarahana tamin’ny filohan’ny Federasiona tamin’ny fotoan’andro nandraisanay ny toerana ny zava-misy ataon’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny FMF fa tsy izahay velively no mpanapa-kevitra. Nahagaga anay anefa fa ny Komity Mpitantana no lasa nanapa-kevitra ny hanaovana ny lalao any Mahajanga. Mba hialana amin’ny mety hiangonan’ny rihatra aty aminay dia aleonay miala tsy misy raorao. Raha ny marina, hoy ihany Atoa Rasoamaromaka izay sady filohan’ny klioba Tanà FC rahateo dia tahotra ny mpijery baolina Antananarivo izay nanomboka nitabataba indray tamin’ny alahady teo tetsy Mahamasina no anton’ity fanapahan-kevitra maimaika ity.
Ny kianjan’i Mahajanga anefa tsy ahafahan’ny mpilalao mivelatra tsara, ny hafanana any mety amin’ny Afrikanina, ireo mpila ravinahitra tsy hotampohan’izany hafanana izany koa ary 10 no antsoina nefa misy hatao mpilalao fiandry amin’izy ireo. Tena lasa rafitra fampitam-baovao fotsiny ny Komity Mpitantana ny Barea, hoy Randriamialisoa filohan’ny AS Adema sy Ramilison Guillaume filohan’ny Elgeco Plus. Na izany aza, hoy izy telo mirahalahy ireto dia mitsodrano ny FMF izahay hahavita be, mitsodrano ny Barea koa izahay fa zanakay ny maro ao. Izahay no miala amin’ny fitantanana fa ny fiaraha-miasa amin’ny federasiona kosa tsy tapaka ho anay telo tonta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.