Nisy fanovana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ka ny Général de Brigade Rakoto François Rodin, galona tamin'ny 01 jona 2011, indray izao no Komandy vaovaon’ny Zandarimariam-pirenena nisolo toerana ny Général de division Ravalomanana Richard. Voatendry ho mpandrindra ankapoben’ny fandaharan’asan’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena kosa ny Général de Brigade Ralison Nirina Jeannot. Nandritra ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha omaly no nanapahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.