Hitohy anio indray ny fakana am-bavany ireo manamboninahitra voarohirohy tamin'ny raharaha BANI.
Roa andro izany izay no efa notaterina niala ny fonja tsikelikely mba hohenoina eny amin'ny fitsarana ireo izay voarohirohy. Anio dia anjaran'ny Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, tale taloha mpiara-mitantana ny FIS (Force d’Intervention Spéciale), mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy na Jirama ary mpitarika ny “brigade minière” manara-maso ny lalam-pihariana harena ankibon’ny tany, no hohenoina raha araka ny loharanom-baovao maromaro akaiky ity raharaha ity. Io farany dia anisan'ny nandrandrain'ny fitondrana tetezamita noho ny fahasahiany ary koa noho ny herisetrany tamin'izany fotoana. Izy rahateo dia sahy nilaza fa raha tsy nisy azy dia tsy voaongana ny fitondran'ny Filoha Ravalomanana Marc. Roa taona taty aoriana anefa dia nanambara mazava izy fa hanala eo amin'ny toerany ny fitondrana tetezamita. Nivondrona niaraka taminy ny manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony maromaro. Natao avokoa anefa izay tetika rehetra tsy hahatontosa ny fakan'ireo fanjakana. Anio no hohainoan'ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.