Nalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary isan’olona ny kolikoly ho sandan’ny fananganan-tanana nandaniana ny lalàm-pifidianana ny 3 aprily, ary misoko miadana ny fanadihadian’ny Bianco.
Niaraka teny amin’ny Hotely Paon d’Or Ivato avokoa izy ireo nialoha ny nandaniana ilay lalàna, dia ny 30 martsa hatramin’ny 2 aprily. Nisy horonantsary niparitaka tamin’ny tambajotra fesiboky misy resaka fizaram-bola, izay nambaran’ireo depiote voakasika fa efa tamin’ny 2016, saingy rehefa kolikoly io na 2016 na 2018, dia azo hiaingana amin’ny fanadihadiana foana, raha ny voalazan’ny Lehiben’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy omaly. Ny 20 aprily maraina ihany koa no nalain’ny Bianco ny “disque dure” mirakitra ny horonantsary rehetra teny amin’ny Paon d’Or, raha ny loharanom-baovao iray. Ny 3 tamin’ireo depiote, dia nandrotsaka vola 40 tapitrisa ariary avy tamina banky iray teto an-drenivohitra taorian’ny fahalanian’ilay lalàna. Ny 16 amin’ireo depiote 79 no efa nampanantsoina nanaovana fanadihadiana, ary mbola mety hiampy. Ny 7 tsy tonga sady tsy nitondra ny fiarovan-tenany, ka hohamafisina izay fiantsoana izay amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ambony, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Bianco. Hiafara amin’ny fisamborana kosa raha toa ka minia miziriziry amin’ny heviny ireo depiote voalaza ho nanao kolikoly. Toy izany rahateo no niafaran’i Claudine Razaimamonjy ny faramparan’ny taona 2016, fa ny mampiavaka azy ireo fotsiny dia ny depiote manana ilay zo tsy azo henjehina. Manomboka misy tsirim-panantenana ny hivoahan’ny marina momba ity raharaha kolikoly avo lenta nandaniana volam-panjakana ity. Efa nisintaka tao anatin’ny HVM moa ny ankamaroan’ireo depiote voatonona, toy ny filohan’ny vondrona parlemanteran’izy ireo teo aloha, Harijaona Andriarimalala na Jaona Elite.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.