Hamoaka ny rakikirany voalohany i Kohen Rivo Lala, ilay mpisorona ao amin'ny trano fivavahana Hebreo, manana ny foibeny etsy Ambanilalana Itaosy.
Hisy hira 7 ho an'ny DVD, raha 16 isa kosa ho an'ny CD. Amin'ny fiteny Hebreo sy Malagasy ireo hira ao anatiny, ravahin'ireo gadona maroloko toy ny slow sy ny mihetsiketsika. Nomarihin'i Kohen moa fa ankoatra ny hira tsotra sy ny hiram-pivavahana dia misy hiram-pitiavana ihany koa ao anatin'io rakikirany voalohany io satria ny fitiavana dia masina.
“Tsy miova amin'ny faminaniany izy hatreto dia ny hiverenan'i Dada Ravalomanana amin'ny maha filoha azy izany”
Ankoatra izay dia nambaran’i Kohen Rivo Lala fa efa nofiny hatry ny ela hahatonga azy ho filohan'i Madagasikara. Te hanavotra an'i Madagasikara mantsy no tanjony satria any aminy ny lakle na ny ketrika ara-panahy hamahana ny krizy navelan'ireo mpanjanatany sy ireo filoha nifandimby teto amintsika ankoatra an'i Dada Ravalomanana, hoy ihany izy. Izany indrindra no nahatonga azy ho mpisorona, taranaka Kohen. Ny Kohen dia midika hoe fianakaviana Hebreo, tsy nianarana toy ny asana mpitandrina fa lova nolovaina avy tamin'ny razambeny izay nolazainy fa Hebreo. Na izany aza anefa tsy manakana azy tsy hihira izany hoy ihany i Kohen. Mpanakanto mantsy ny lehilahy no sady mivelatra amin'ny fitsaboana kabalistika izay midika hoe : fanasitranana avy amin'ny Baiboly. Mbola notsindrian'i Kohen moa fa tsy miova amin'ny faminaniany izy hatreto dia ny hiverenan'i Dada Ravalomanana amin'ny maha filoha azy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.