Actualités

Kly Charles sy ny Cemgam Mety tsy ho raikitra ny fampifanatrehana


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Ho vita sa tsia ny famotorana mikasika ny raharaha BANI teny Ivato, ny 17 novambra 2010 ? Raha ny fanazavan’ny ministry ny Fitsarana Razanamahasoa Christine aloha no zohina dia tsy maintsy vitaina amin’ity taona 2010 ity ny famotorana mikasika iny raharaha iny.

Raha ny fihainoana ifotony ireo manamboninahitra nosamborina sa nitolo tena, teny amin’ny BANI rahateo dia efa vita avokoa. Saingy, misy ny volo manoha randrana amin’izao fotoana mikasika ny famotorana. Araka ny fantatra mantsy dia mitaky ny fampihaonana azy ireo amin’ny jeneraly Ndriarijaona André ny jeneraly Rakotonandrasana Noël sy ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles. Tamin’iny herinandro iny no efa nokasaina nanaovana azy satria na ireo mitaky na ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika dia efa samy vita famotorana avokoa nandeha tsirairay. Fantatra ihany koa araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fianakavian’ireo manamboninahitra sasany voakasika tamin’iny raharaha iny fa misy zavatra mampifaningotra ireo olona telo tokony hampifanatrehana ireo tamin’ity resaka BANI ity.

Heverin’ireo loharanom-baovao ireo ihany fa hahafantarana zavatra maro izany fampifanatrehana izany ary ahalalana ny tena marina mikasika ilay fananganana Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena nandamoka teny amin’ny BANI iny. Tamin’ny herinandro no tokony ho efa tanteraka ity fampihaonana ity saingy tsy tonga teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika. Ho hita eo amin’ity herinandro ity raha ho tanteraka ihany izany fampifanatrehana izany fa andrasan’ny maro tokoa. Toa tsy mampino ihany koa mantsy raha manamboninahitra jeneraly natao hitari-tafika no tsy ho sahy hiatrika fampifanatrehana raha izay tokoa no fipetrany. Ny amin’ny anio aloha mety tsy hisy satria toa mbola tany Anosibe An’ala tany ny Cemgam, ny faran’ny herinandro iny. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT