Actualités

“Kidnapping” tany Toamasina Mpijoko voajoko ilay nalaina an-keriny ?


  • Talata 17 Febroary 2015

Mitohy hatrany ny vaovao mikasika ilay fakana an-keriny nahavoarohirohy ireo GSIS sy zandary miasa ao Toamasina ary polisy ihany koa ankoatra ireo sivily mpiray tendro tamin’izy ireo

 . Raha ny angom-baovao farany azo hatreto dia tonga amin’ny fiteny hoe “mpijoko voajoko” ilay nalain’ireo GSIS an-keriny teny amoron-dranomasin’i Toamasina. Ny vaovao no nahalalana fa “saika hangalatra ny vola be ny ‘patron’-ny koa izy, izao tratry ny fakana an-keriny izao”, satria tsy140 tapitrisa Ar ny tena sandan’ny vola fa 270 tapitrisa Ar, koa ankoatra ilay vola tratra tao Moramanga dia misy 130 tapitrisa Ar izany mbola manjavona  ao anatin’ity raharaha ity. An-kilan’izay, raha ny angom-baovao ihany dia teto Antananarivo ny tompon’ilay jirofo tamin’ireo fotoana rehetra ireo; ka teto Antananarivo no saika andoavan’ilay Indiana ny vola be taminy, saingy nandà izany izy noho ny tsy filaminana amin’ny fihazonana vola be anaty trano fandraisam-bahiny. Ny nahagaga anefa ny ampitson’io saika handoavana ny vola io, no nisy ny fisamborana ity tompona jirofo ity nataon’ny zandary Antananarivo sy nisavana ny efitrano nipetrahany ary nihainoana azy avy eo fa hoe mpanao aferana boaderozy ny tenany. Mbola misaritaka amin’ny fanadihadiana azy ity tompona jirofo ity no niantso ilay Indiana ny olo-mahatoky ity tompona jirofo ity, fa aloa ao Toamasina ary atao vola vaingany fa tsy taratasim-bola ny vidin’ilay jirofo. Dia teo no nitranga ny raharaha fakana an-keriny nahatonga resabe sy narahan’ny maro ireny. Tao anatin’izay koa anefa dia jirofo kamiao 2 tamin’ireo kamiao 3 tokony namidy ihany no tonga tany amin’ilay Indiana nividy izany, izany hoe mbola nanjavona ihany koa izany ny kamiao iray amin’ity jirofo ity. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana amin’ny tohin’ny raharaha, ka eo am-pitadiavana ilay nitondra ny vola 130 tapitrisa Ar sy ity jirofo iray kamiao nanjavona sy mpiray tendro tao anatin’izany ny polisy ankehitriny.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT