Nisy tranga-na fakana an-keriny indray tamin’ny faran’ny herinandro teo. Saingy noho ny hafainganan’ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana dia tsy tontosa izany. Efa nisy ny olona voasambotra tao anatin’ity raharaha ity raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Ny mahagaga amin’itony resaka fakana an-keriny itony dia ny fisian’ny olona izay tokony ho any am-pigadrana kanefa dia miriaria manao izany. Raha ny tena marina dia avoaka ny fonja izy ireo ary omena alàlana hiasa amin’ny olon-kafa (MOP) dia eo ireo no manararaotra. Isan’ny nanamarina an’iny taon-dasa iny ohatra ny namoahan’ny mpanao politika iray jiolahy roa tao Tsiafahy ary nataony lasa mpiaro azy. Ireo avy eo no voatonona tao anatin’ny resaka fakàna an-keriny sy fanahafihana hafa.
Dia nialany mora foana rehefa nitranga izany olana izany. Matoa ny olona iray mbola tokony ho any am-ponja dia tsy mbola tapitra izay ny hadalany. Misy dikany avokoa ny anton’ireny famaizana ao anaty andinin-dalàna ireny. Ny eto amintsika anefa dia afaka mora foana ireo izay mahitahita sy akaiky ny mpitondra. Mazava ho azy raha mirongatra ny asan-jiolahy....
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.