Actualités

Kianjan’ny 13 mey Tantara sisa


  • Alarobia 14 Mey 2014

Miova Andriana miova sata. Tsy toy ny tamin’ny taon-dasa faha tetezamita ka nahantona teo amin’ny fefy vy ny voninkazo fa dia tafiditra tao anaty fefin’ny zaridaina anoloan’ny Lapan’ny tanŕna etsy Analakely omaly 13 mey 2014 ireo olona nahatsiaro ny maherifon’ny firenena namoy ny ainy noho ny tolona fanoherana ny fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao.

 Teto amin’ity kianja ity no nanaovana ny fihetsiketsehana hatramin’izay, hoy i Alain Ramaroson, ary saika fitakiana ny tsy tokony hitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena Malagasy hatrany no teny nisongadina tamin’izany, ankoatra ny fitakiana ny famerenana ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Fihafiana, ranomaso, fanentanana ary ra latsaka hatrany no nitranga teto, hoy izy, nefa ireo izay nahazo fitondrana rehefa nandalo teo dia mahagaga fa tsy mahatsapa akory fa tsy tonga teo amin’ny toerana izy ireo ary tsy nisy zava-nitranga teo raha tsy teo amin’ity kianjan’ny 13 mey ity. Tena mody fanina, mody tsy mahalala ny toerana intsony rehefa tafita ireo mpitondra niainga teo. Amiko, hoy Atoa Alain Ramaroson dia tokony hisy marika lehibe apetraka eo amin'ity kianjan'ny 13 mey ity ka soratana amin'ny ranom-bolamena eto ny anaran'ireo lavo tamin'ny 1972 hatramin'ny 2009. Tonga nametraka voninkazo teny ihany koa omaly ry Olala sy Mox Razafindramiandra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT