Actualités

Kianjan’i Mahamasina Nivadika fisamborana mpaka sary ny lalao


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Raha samy tsy nahavaky atody ny ekipan’ny Adema sy ny Desp. Do Maxaquene (Mozambique) ka somary kiviviky ny mpijery dia lasa nihoraka tampoka indray kosa no sady talanjona raha nahita ny fihetsiky ny polisy tamin’ny mpaka sary iray.

Nosamborina dia navoaka ny kianja ary notaritarihina sy nodarohina rehefa tao ambadimbadik’i Mahamasina no sady natsipy ihany koa tao anatin’ny fiaran’ny polisy nialoha ny nitondrana azy tao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina. Tezitra ny mpanao gazety naman’ity mpaka sary ity raha nahita izany ary nanaraka hatrany amin’ny biraon’ny polisy tany. Nahita izany ireo farany dia tapa-kevitry ny namotsotra avy hatrany ilay mpaka sary. Nanomboka teo vao afaka namantatra izay tena anton’ny nahatonga ny roa tonta hifandona ny mpanao gazety. Fantatra ary fa nisy ny fepetra noraisin’ny mpikarakara toy ny hoe fanomezana tapakila hafa mihitsy ho an’ny mpanao gazety ary koa «gilet» manokana ho an’ny mpaka sary.

Izay tsy manana an’io dia tsy afaka miditra ao an-kianja. Raha ny filazan’ilay mpaka sary voadaroka anefa dia tsy afaka naka an’izany izy noho ny antony arak’asa. Fotoana fohy nialoha ny lalao rahateo vao nozaraina izany. Raha ny filazan’io mpaka sary io ihany anefa dia tsy maintsy naka ny sarin’ny lalao izy mba ho an’ny gazetiny. Tapa-kevitry ny nampiasa ny karatra maha mpaka sary an-gazety ny tenany. Tafiditra tao Mahamasina soa aman-tsara izy, saingy rehefa hiditra ao amin’ny toerana fangalana sary vao voasakan’ny polisy.

Niezaka ny nanazava saingy avy hatrany dia voaroaka ary natsipy tamin’ny tany ny karatra. Naka izany izy dia avy hatrany dia tonga indray ny polisin’ny GIR roa lahy nanampy ny namany. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nobataina sy notaritarihina toy ireny jiolahy ireny teo imason’ireo olona an’arivony. Raha ny fantatra dia efa matetika miverina ihany ny olana avy amin’ny mpikarakara saingy hafa ny tamin’ity.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT