Raha ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny taon-dasa dia tokony ho efa nanana kianja sentetika ny Kaominina Ambatondrazaka ambonivohitra tamin’ity volana febroary 2011 ity.
“Tsy rariny raha ambony tanimena mitera-bovoka no anaovan'ny tanora ny fanatanjahantena na baolina kitra. Afaka iray volana dia hatomboka ny tetikasa hanaovana ny kianja Rasolonjatovo eto Ambatondrazaka ho kianja manara-penitra”, hoy i Andry Rajoelina tamin’io andro io. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy na dia orinasa iray aza nikitika ilay kianja Rasolonjatovo. Mbola ilay kianja bozaka natoraly no hanatanterahana ny fifaninanam-pokontany sy ny fanatanjahantena an-tsekoly.
Tokony tsy hiteny aloha raha vola baoritra, hoy ny mpanao fanatanjahantena iray, fa mandiso fanantenana fotsiny ny mpitia fanatanjahantena. Aleonay, hoy izy tamin’ny andro ny filoha Ravalomanana Marc tonga dia sahy nanamboatra na somary nanahirana aza ny asa fanamboarana tamin’izany fotoana izany, fa tsy nanao kabary ambony vavahady tahaka ny filohan’ny FAT. Dia ahoana koa izao ilay hoe dobo filomanosana sy toerana ho an’ny mpanao haiady ? Aminay, hoy ity mpanao fanatanjahantena iray, izay nangataka tsy hotononina anarana, ity dia “tsy misy tanteraka ny fampanantenana nataon’ny FAT tamin’ny mponina any Alaotra ka tofoka sy tsy matoky io fitondrana io izahay”. Marihina fa tamin’ny fitokanana ny foara Lapabe II tamin’ny 4 septambra 2010 no nanaovan’ny filohan’ny Fat ireo fampanantenana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.