Actualités

Kianja mitafon’i Mahamasina Traboina 3 no teraka tao anatin’ny iray volana


  • Talata 10 Febroary 2015

Traboina miisa telo no indray teraka tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tao anatin’ny iray volana namindrana azy ireo tao an-toerana, raha ny fanadihadiana natao. Traboina avy amina fokontany miisa 14 eto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ireo toy ny ao amin’ny Fokontany Andavamamba Anjezika II, Anatihazo Isotry, Ambohitsoa Ankazolava, Ampitatafika

Atsimombohitra … Saika tsy manambady avokoa ny ankamaroan’izy ireo raha ny fanadihadiana natao ihany. Ny iray no nandalo fandidiana nandritra ny fotoana nahavelomany ary mbola tazonina any amin’ny hopitaly hatramin’izao noho ny tsy fananany fahafahana handoa ny vola mifandraika amin’izany. Ny roa ambiny kosa  efa nody saingy olana iraisan’ny rehetra ny  fisiana areti-maso mamely mafy ireo zaza menavava ankoatra ny aretin-kibo sy ny kohoka. Na izany aza anefa dia misy hatrany ny dokotera mijery sy mandray an-tanana ny fahasalaman’izy ireo isan’andro, indrindra fa ireo reny bevohoka izay efa mihoatra ny dimy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT