Actualités

Kere any Atsimo Tsy hitovizana ny hevitra eo amin’ny fisian’ny maty


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Samy tafaverina avy any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny na Rtoa Onitiana Realy minisitry ny mponina, na ny depiote Jean Michel Henri voafidy tany amin’ny distrikan’Ambovombe Androy. Ny itovizan’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly teny Tsimbazaza dia ny filazana fa tena misy ny Kere any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny ary samy nahita maso

 

nivantana izany ny roa tonta. Ny tsy itovizan-kevitra kosa dia ny amin’ny fisian’ny maty. Rtoa minisitra dia tena mifikitra amin’ny voalazan’ny rafitra iraisam-pirenena izay nilaza fa misy singa manokana no azo hilazana fa matin’ny kere ny olona iray. “Izay tobim-pahasalamana natonina tany amin’ny toerana nandalovana, hoy izy, dia samy tsy nisy nilaza mihitsy fa hoe tena nisy izany olona matin’ny kere izany, na sanatria manafin-javatra angamba ry zareo fa hoe fady any amin’iny Faritra iny ny filazana fa misy izany matin’ny kere izany. Ny depiote Michel Henri kosa dia nanamarika fa noho ny hain-tany miseho lany noho ny tsy fisian’ny orana no mahatonga ity kere ity satria maina tsy mahavokatra ny tany. Io rano io no tena mahatonga ny kere, hoy ity depiote ity, ka ny fitarihan-drano amin’ny “pipeline” no heverina fa tena vahaolana maharitra amin’ity resaka ity miaraka amin’ny tena finiavan’ny mpitondra tena hanatanteraka ny asa fa tsy ampahafirin’ny tany karankaina manerantany ny any Androy any. Tena te hamboly ny olona any fa tsy kamo izany fa io rano io no tena olana. Tamin’ny alakamisy lasa teo izao hatramin’ny alahady dia avy ny orana tany Ambovombe  afaka mamboly ny olona satria 4 volana dia vokatra ny tsako saingy olana indray ny masomboly fa tapitra nohanina, ny biby fiompy toy ny omby aman’ondry efa tapitry ny dahalo ka efa nampitaina nivantana tamin’ny tompon’andraikitry ny BNGRC sy ny minisitry ny mponina nitondra fanampiana avy any amin’ny governemanta ho an’ireo olona any izahay ny amin’izay. Mandra-piandry dia ilaina foana ireo fanampiana izay efa nisy ampahany nomen’ity minisitra ity toy ny vary, menaka, savony … Marihiko fa tsy Androy ihany no tratran’ny Kere fa misy koa any Anosy ary misy mihitsy ireo an-jatony efa maty araka ny fanadihadiana nataonay. Ny olona moa rehefa noana, hoy izy, dia mandrapaka izay hanina sendra azy eo rehefa mahita, kanjo rehefa tapohiny eo izy sady mazefatra ilay hanina dia mankarary ny kibony na mitarika aretin-tazo ho azy dia asa na izany no hoe tsy matin’ny Kere na ahoana ! Fa nisy maty aloha ny fahafantaranay azy.

Ntsoavina Evariste

SARY : Ny depiote Jean Michel Henri avy any Ambovombe Androy

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT