103 no matin’ny kere tany Bekily ka 4 tamin’ny novambra 2014, 49 tamin’ny desambra 2014, 45 tamin’ny janoary 2015 ary 4 hatramin’ny fiandohan’ny volana febroary 2015
, araka ny tatitry ny lehiben’ny Distrika tamin’ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Onitiana Realy mitsidika tany an-toerana. Ny 12 tamin’ireo ihany anefa no hitany maso. Tsy manamarina izany ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana, 5 ihany ireo namoy ny aina nambaran’izy ireo ary 2 hetsy ireo tena ianjadian’ny hanoanana. Mifamahofaho be ihany, araka izany, ny tarehimarika mikasika ity kere any atsimon’ny Nosy ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.