Ifandrotehana ny fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera indrindra amin’izao vanim-potoana irosoan’ny firenena amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao.
Be ny manaraotra ao anatin’izany ary tsy kely lalana ny ratsy. Lasibatra ny mpanao politika indrindra ireo kandida fa tsy afa-bela hatramin’ny mpitondra fivavahana sy raiamandreny am-panahy ihany koa. Tamin’iny faran’ny herinandro nivalona iny dia nisy nisandoka tamin’ny fangataham-bola ny anaran’ny kardinalin’i Madagasika Tsarahazana Désiré. Tsy niandry ela akory dia namoaka filazana ny mompera Adoré misahana ny seraseran’ny Arsidiosezin’i Toamasina milaza ny fahitan’izy ireo ny zava-misy sy manohitra izao fisandohana ny kardinaly izay raiamandreny lehibe amin’ny finoana katolika sy raiamandreny be ihany koa eto amin’ny firenena. « Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana dia tsy manao facebook ary tsy manana kaonty facebook. Koa mampitandrina an'izay olona mampiasa ny anarany na ny sariny na mitonona ho izy any amin'ny tambajotra sosialy rehetra ka mampiasa ny anarany mba hamitahana ny mpiara-belona. Entanina koa isika mba samy hitandrina sy ho mailo manoloana an'ireo tsy kely lalana ! Reseo amin'ny soa ny ratsy ». Na nanafintohina ny katolika sy mpino ao aminy ary ny vahoaka Malagasy ny zava-nisy, dia tsy hitory ny eo anivon’ny Fiadidian’ny kardinaly sy ny Arsidiosezin’i Toamasina, noho ilay tanjona napetraky ny kardinaly hoe : “Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” sy amin’ny maha olom-piangonana sy amin’ny maha raiamandreny an’ny Kardinaly no antony. Na izany, manaitra ny rehetra ho mailo amin’ny zava-misy koa izy ireo fa tsy kely lalana ny ratsy. Misy ny lalàna momba ny “cybercriminalité” izay manankery manenjika ireo mampiasa ny tambajotra sosialy hisolokiana, hanaovana asa fampihorohoroana, hanaratsiana na hanelezana vaovao tsy marina … Efa nisy ny voasambotra ary nidoboka am-ponja, fa mbola betsaka ny tranga vaovao toy itony mahazo ny Kardinaly Tsarahazana itony. Malefaka ve ny sazy, sa tsy ampy ny fampahafantarana ny fisian’io lalàna momba ny “cybercriminalité” io ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.