Actualités

Karazam-bibikely 37, toy ny angelikary, valala,… Azo avadika sakafo mitondra herim-batana


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny Tsenabe Fier Mada andiany faha-20 nifarana omaly teny Andohatapenaka ny Concept Mihary, vondrona tanora izay mandalim-pahaizana ao amin’ny departemantan’ny “Hontologie” miantsoroka ny fikarohana mikasika ny bibikely ny ankamaroany.

 

Manome lanja ireny bibikely na “insectes” ireny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ao anatin’ny Vovonana “Mikasa” izay mitrandraka voka-pikarohana hiadiavana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izy ireo, ary miahy azy ny ONN na ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo. Karazana bibikely 37 no efa fantatra fa azo atao sakafo tsara raha ny fanisana hatreto, anisan’ireny ny valala, ny angelikary araka ny hitana andiana mikaroka eny Tsimbazaza, ary misy ihany koa ny olona efa mihinana zana-dandy amin’ny faritra ambanivohitra sasantsasany, hoy ny fanazavan-dRandrianajaina Tolojanahary, mpandrindra eo anivon’ny Concept Mihary. Afaka nanandrana ny angelinkary izay nitsidika ny tranohevan’izy ireo teny amin’ny Fier Mada. Ny valala, Ohatra, dia fantatra hoe mamotika sy manimba izany hoe loza, indrindra fa any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, toa an’Androy izay efa nanaovan’izy ireo fikarohana saingy azo trandrahana ho zava-tsoa amin’ny alalan’ny famadihana azy ho sakafo amin’ny endriny samihafa. Lasa famoronan’asa sy mampihena ny fandaniana satria mba tsy hampiasana fanafody ny famonoana sy fanangonana ny valala. 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT