Tsy kely lalana ny ratsy ! Vitan’ny mpisoloky indray mantsy izao ny misandoka karaman’ny mpiasam-panjakana. Telo lahy no voasambotra nandritra ny fetin’ny Paska teo. Antontan-taratasy hosoka efa maty paika sy tsara lamina no nampiasain’izy ireo.
Nahavariana mantsy ny fomba nahazoan’izy ireo ny “avis de credit” telo volana farany an’ny mpiasam-panjakana ara-dalàna maromaro nefa tsy nampiasa “procuration”. Namorona “certificat administratif» sandoka ry zalahy miaraka amina “carte professionnelle” manambara fa mpiasam-panjakana tokoa. Mpiasam-panjakana iray no efa fantatra fa very hatramin’ny 2 tapitrisa Ariary tamin’ity fisolokiana avolenta ity raha ny nambaran’ny polisy ary misy koa no banga hatramin’ny 100.000 Ariary isam-bolana ny karamany, izay vao taitra.
Mbola manamboatra kara-panondro sandoka ihany koa ireo mpisoloky ary mitonona fa mpiasan’ny fandraharahana ny fonja ary Polisy koa aza indraindray izay ananany fanamiana avokoa ireo entin’izy ireo mitety tranombarotra mba hisolokiana ary avy eo dia amidiny ny entana. Loharanom-baovao tamina tranombarotra lasibatr’izy ireo no nahafahana nisambotra azy telo lahy voasambotra ary fantatra fa mbola misy namany hafa karohina satria efa tambajotra mihitsy izy ity, hoy ny kaomisera Rakotonjanahary Manamijoro.
Avy aty Antananarivo ireto mpisoloky voasambotra ireto no nikasa hanao ny asaratsiny tao Antsirabe no izao voasambotra izao. Efa eo an-dalam-pampandrenesana ireo very “avis de crédit” ny polisy amin’izao fotoana ary mitohy ny fikarohana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.