«Fatiantoka an-jatony miliara Ariary no mahazo anay izao, noho ny tsy fanajana lalŕna sy ny entan’olona very lava, hatramin’ny nitantanan’ny MICTSL ny kaontenera teo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina».
Izay no nambaran’ny filohan’ny komitin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Toamasina (CCIT) Atoa Mandraina Félix, raha nanazava ny fitoriana nataony mikasika ny MICTSL.
Raha ny voalazan’ny lalànan’ny fadintseranana Malagasy, dia “ireo entana mihoatra ny 15 andro nahatongavana dia miditra avy hatrany eo anivon’ny CCIT, ary ireo orinasa mpisahana izany no mamindra azy raha avy mandefa ny lisitra ny entana. Noho izany, tsy mana-jo hitahiry entana mihoatra ny fetr’andro voalazan’ny lalàna ny MICTSL Madagasikara”. Io lalàna io no mampiady ny CCIT sy ny MICTSL ankehitriny. Mahatsapa ny CCIT fa maro ireo entana tazonin’ny MICTSL na dia efa dila aza ny 15 andro feran’ny lalàna azony hijanonany ao. Hany ka izy ireo ihany no mihazona sy mitahiry ireo kaontenera efa lany fetr’andro, ary izy ireo ihany koa no mitango ny saran’ny fitazonana ny entana na “frais de magasinage” izay tokony hiditra amin’ny CCIT, izay efa mananika an-jatony miliara Ariary izao tao anatin’ny telo taona, 2009 – 2011. Misy ihany anefa ireo kaontenera lany fetr’andro vitsivitsy nafindran’ny MICTSL teo anivon’ny CCIT rehefa nijanona volana maromaro teo anivon’ny “Santatra”, izay tanin’ny SPAT nampanofainy ny MICTSL hanobiana kaontenera. Ireo kaontenera ireo anefa no manana olana ankehitriny, satria mazàna dia foana na entana tsy mifanaraka amin’ny taratasim-pahatongavan’ny kaontenera intsony no ao anatiny, ary efa miova “plomb” fa tsy izay nanafarana ny entana tany ivelany intsony.
Olona 23 voarohirohy
Taorian’ny fahatsapan’ny mpiasan’ny ladoany misahana ny magazain’ny CCIT, Atoa isany Thomas Zarasaonina, Mamitiana Razafinantoanina, Randrianjafimaniraka Jean Fidel, momba ny fahabangan’ny entana sy tsy fisiany mihitsy ary ny fiovan’ny entana voalaza ao anatin’ireo kaontenera hany nafindran’ny MICTSL dia nanokatra fanadihadiana teo anivon’ny fitsarana ny filohan’ny CCIT, ka nitory ny MICTSL sy ireo heverina ho mpiray tendro aminy. 23 ireo voarohirohy hiakatra fitsarana amin’ity herinandro ity, raha naharitra roa volana ny fanadihadian’ny polisy ny zandary ny raharaha. Raha ny vaovao nangonina, dia miisa 20 eo ireo kaontenera misy olana nafindran’ny MICTSL nanaovana ny fitoriana. Teo ireo kaontenera tokony hisy kiraro nefa foana, ny tokony hisy “tara” nivadika vato kely, ny tokony hisy menaka lasa barika foana ary ireo tokony nahitana “fripperie” tena fongana tanteraka.
Manamarina anefa ireto mpiasan’ny ladoany telo mirahalahy sy ity filohan’ny CCIT ity, fa mbola maro ny kaontenera tratry ny toy izao raha ny fanadihadian’ny zandary sy ny polisy, satria raha ilay kaontenera tokony hisy “tara” fotsiny dia 85 kaontenera no nohafaran’ny tompony tany amin’ny faritra arabia ny taona 2009 saingy tsy tafavoaka ara-potoana noho ny krizy politika, dia saika nivadika vato kely avokoa.
“Tsy mamboly ady amin’ny MICTSL ny CCIT, fa mitaky kosa ny fanajana ny lalàna izay antoky ny fidiram-bolany ahafahany manao ny asa fanampiana ny mpandraharaha sahaniny. Efa hatramin’ny taona 1902 no niara-niasa ny seranan-tsambo sy ny CCIT ary tsy nisy olana izany raha tsy izao”, hoy hatrany Atoa Mandraina Félix. Noho izany, miray feo izy ireo, fa tokony handray ny andraikiny ny fitsarana manoloana ny fanabotriana ny volam-panjakana tantanan’ny CCIT izao. Efa mandeha mantsy ny feo izao fa misy manao lava tanana sahady mitady hanafoana ny fitoriana nataon’ny CCIT, mba tsy hivoahan’ny marina mahakasika izao raharaha izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.