Actualités

Kaomisiona fampihavanam-pirenena Tsy nanam-bola dia tsy raikitra ny fivoriana


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Omaly no daty voatondro fa hanaovan’ny Vaomieran’ny fampihavanam-pirenena ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita fivoriana any Ampefy. Najanona tamin’ny ora farany anefa izany rehefa nitaraina ny mpikambana fa tsy manam-bola. Tsy raikitra, araka izany, ny fivoriana ary samy nody ireo olon’ny Kongresy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : tsy misy toeran-kafa azo nanaovana ny fivoriana ve ankoatra ny tany Ampefy ? Raha ny marina mantsy dia tokony hanana efitra manokana fanaovana an’izany ao amin’ny Kongresy. Sa kosa ve hirevy fotsiny ny saika hatao tany Ampefy ? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra. Mbola eo anivon’ny Kongresy ihany dia fantatra ihany koa fa manomboka mampiaka-peo ny sasany amin’ity mpikamban’ny Kongresy ity noho ny tsy mbola nivoahan’ny karnen-tsolika tamin’ity volana ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT