Eo am-piandrasana ny famindram-pibaikona eo amin’ny kaomisera teo aloha ao Toamasina I, sy ny nasolo azy dia efa am-perinasa ity farany amin’ny fametrahana ny filaminana sy fitoniana ao Toamasina, izay nanjakana asan-jiolahy be loatra tato ho ato izay. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny kaomisera Razafindahy Manitra, dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny fitsipi-pifehezana ary ny ady atao amin’ny firongatry ny asan-jiolahy no tena hataony sy ny ekipa tarihiny izao. Nomarihiny anefa fa tena zava-dehibe tsara hapetraka aloha dia ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny polisy. Mitohy koa ny fanakatonana ny trano fisotroana amin’ny 10 ora alina sy ny fisavana kara-panondro isaky ny alina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.