Actualités

Kaominin’i Manjakandriana Nahatrarana karazan-drongony 140 kilao


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Efa tena sahin’ny olona andraman-doza mihitsy ny fadin-tseranana malagasy.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CIS, ny zandarimariam-pirenena, ny fiadidiana ny fadin-tseranana Maorisianina ary Reinioney amin’ny fiadidiana ny fadin-tseranana Malagasy no nahatrarana olona miisa 9 tao anaty Sprinter iray teo Manjakandriana ny alakamisy teo raha nikasa hihazo an’i Nosy be hanondrana rongony milanja 140 kilao mitentina ana miliara ho atsy Maorisy sy La Reunion. Maorisianina ny 3 amin’ireto mpanao trafika ireto, raha Malagasy ny 6. Rongony 5 karazana no tra-tehaka ka anisan’izany ny antsoina hoe Chanvres na ravina maina 91 jiafotsy (colis) ary milanja 80kg, vovoka mavo 20 jiafotsy 18,55kg sy 3 jiafotsy 2,31 kg. Nisy rongony miendrika kristaly ihany koa tamin’izy ireo, izay  4 jiafotsy milanja 4,775 kg ary rongony tsy mbola voazary (à l'état brut) milanja 35 kg. Nanamarika moa ny tale jeneralin’ny Ladoany fa ny 24 kg amin’ireo dia mahery vaika avokoa. Anisan’ny tao, ohatra, ny Canabis sy Héroine ary mbola karohina izay firenena niaviany. Mbola misy olona hafa karohina ihany koa, raha ny fanazavana, fa omena ny tribonaly aloha ireto olona 9 ireto ary miandry ny didim-pitsarana ahafahana mandoro ireo zava-mahadomelina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT