Actualités

Kaominina Mandrosonoro Zaza 4 mianadahy no maty nilatsaham-baratra


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Zaza 4 mianadahy no maty nilatsaham-potaka na nilatsaham-baratra tao amin'ny tanàna iray anatin'ny fokontany Masindia, kaominina Mandrosonoro, distrikan'Ambatofinandrahana,

ny tolakandron’ny 12 janoary 2023 teo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nirehitra ny trano nisy azy ireo vokatr'ilay varatra. Tsikaritra ho masiaka mihitsy ny varatra tato ho ato izay. Araka ny fanazavan’ireo mpandinika moa dia ankoatran’ny fahaizana milalao azy itony hananan’ireo mpilalao varatra, indrindra, any amin’ny tontolo ambanivohitra any dia misy hifandraisany amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy tsy fanajana ireo fady na antony ara-tsiantifika mampasiaka varatra ihany koa ny fitrangan’ireo toe-javatra toy itony. Isan’ny halam-baratra, ohatra, ny loko mena, ny manamorina omby, ny finday mifampikasoka amin’ny nofo ary ireo fitaovan-tserasera ampanenoina mafy toy ny fahitalavitra sy onjapeo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT