Actualités

Kaominina Manambaro Andro fety indray vao tsy nisy jiro


  • Talata 04 Janoary 2011


Ny 31 desambra 2010 no efa nafoy ny Jiro tao amin’ny renivohitry ny Kaominina Manambaro, distrika Tolagnaro, Faritra Anosy, dia nitohy ny andron’ny taom-baovao.  Mandeha tsy tapaka anefa ny jiro andavan’andro. Orinasa tsy miankina no misahana ny famatsiana herinaratra ao amin’ity Kaominina ity. “Miala sasatra”, izay no feo re avy any an-toerana ka nitarika io fahabangana io. Sorena ny mpanjifa teo anatrehan’izany satria amin’ny fotoana tena nilana ny herinaratra indray no tsy nisy izany. Mazava fa sady tsy nisy fety vanona ny an’ny ankamaroan’ny mponina tao amin’ity renivohitry ny Kaominina ity, no tsy nahara-baovao ihany koa. Ireo nanana gropy na “panneaux solaires” no afaka nampiasa fitaovana mampiasa herinaratra. Vitsy anefa izy ireo, fa ny daholobe dia nionona tamin’ny jiro solitany sy ny labozia. Tsy afa-manoatra rahateo izy ireo satria tsy miankina no misahana azy ity. Araka ny fantatra dia efa nisahana famatsiana jiro tany Tsivory ity orinasa mpamatsy herinaratra ao Manambaro ity talohan’ny nifindrany ao, fa nanana olana tany, nefa izao mampitaraina ny mpanjifa izao ihany koa. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT