Actualités

Kaominina Ivato Napetraka ny trano fitehirizam-bola


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 30 aogositra ny trano fitehirizam-bola vaovaon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny kaominina eny Ivato.

Ho fanatsarana ny tolotra sy ny fiarovana ny fitehirizam-bola no antony sy mba ahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony amin’ny fampiasana izany. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny trano vaovao ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola, Vonintsalama Andriambololona sy ny tale jeneralin’ny fitahirizam-bola Herivelo Andriamanga. Tsiahivina fa miandraikitra ny kirakira momba ny fampidiram-bola sy ny fandaniam-bolam-panjakana ny fitahirizam-bola eny anivon’ny minisitera ary handoavana ny fisotroan-dronono sy ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tombanana ho 3500 ny mpisotro ronono ary 504 ny mpiasam-panjakana hahazo tombony amin’ity fotodrafitrasa vaovao ity. Mamaha olana izy ity satria tsy voatery hiakatra an-drenivohitra ireo mpaka vola, indrindra ireo beantitra misotro ronono mipetraka manodidina eny Ivato fa any dia azo raisina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT