Roso ny asa ! Samy nitaona ny entany, nibata ny trano hazony ary nandrava ny tsenany ireo mpivarotra omaly hahafahana miroso amin’ny fanorenana ny tsena vaovao.
Ireo mpivarotra ihany no samy nandrava ny tsenany sy nandamina ny entany ary namindra izany tamin’ny toerana efa natokana ho azy ireo. Tao anatin’ny filaminana no nizoran’izany. Naneho firaisankina ary nanaiky ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina tamin’ny famaritana ny toerana hifindrany vonjimaika mandra-pahavitan’ny tsena vaovao ireo mpivarotra maro an’isa. Nanamafy ny Ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy fa hovitaina ao anatin’ny telo volana ny tsena vaovao izay ho raitra lavitry ny loto sy ny fotaka mandrevo toy ny tsena amin’izao fotoana. Raha ny nambaran’ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Olivier moa dia anisan’ny tsena raitra indrindra eto amin’ny faritra Analamanga ity tsena haorina eto Ivato ity, izay hahazaka mpivarotra manodidina ny 2.000 rehefa vita.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.