Maro ireo kaominina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano no tsy mbola nahazo fanampiana avy tamin’ny fanjakana, araka ny fanadihadiana natao. Efa nisy ihany ny andiany voalohany saingy eo am-piandrasana ny andiany faharoa izy ireo amin’izao fotoana izao izay efa tokony ho nivoaka tamin’ny faran’ny taona 2014 lasa teo
. Vokany, mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny kaominina, indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Chedza ka nisian’ireo traboina marobe tsy tambo isaina. Eo an-danin’izay ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izay nomarihin’ireo Ben’ny tanàna sasany fa mila tsy ho vita intsony. Manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo mba hijery akaiky ity fanampiana ho an’ity kaominina ity. Tsara moa ny manamarika fa ny kaominina Anosizato andrefana sy Ampitatafika no be traboina indrindra tamin’ity taona 2015 ho an’ny faritra Atsimondrano manokana. Ny kaominina Soavina kosa no nahitana fefiloha vaky izay marihina fa maro traboina ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.