“Miandrandra filoham-pirenena afaka mampandroso ny kaominina ny vahoaka. Mila vahana maika ny olana ara-pandriampahalemana sy ny lalana dia mandroso ho azy ny kaominina Didy”, hoy Atoa Roger,
Ben’ny tanàna teo aloha tao an-toerana. Miasa irery ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, hoy izy, ka sarotra ny ady amin’ny asan-jiolahy. Manao ezaka ihany ny eo amin’ny fiadidiana ny tanàna miaraka amin’ny vahoaka amin’ny fanamboarana vonjimaika ny lalana saingy tsy maharitra. Manantena ny vahoaka fa izay filoham-pirenena ho lany eo dia mba hijery manokana ny kaominina Didy, izay manana otrikarena maro na ambony na ambanin’ny tany.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.