Actualités

Kaominina Antsirabe Misy mamatsy vola ireo mpiasa mitokona


  • Talata 28 Desambra 2010

Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Kaominina Antsirabe hatramin’izao na dia efa eo am-pikarohana vahaolana hatrany aza ny mpitondra ny tanàna.

Nanoloana izay dia namory mpanao gazety ary nanao antso avo ny mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe, tamin’ny alalan’ny filohany Dadamanana, fa dia hisy ny birao hisokatra manomboka izao ka

miantso izay olona manan-draharaha atao ao amin’ny Kaominina izy fa afaka manatanteraka izany ary omena fahafaham-po ny vahoaka manomboka izao. Io moa dia taorian’ny dinika nifanaovan’ireto birao maharitry ny mpanolotsaina ireto sy ireo solontenan’ny mpitokona ka nitenenan’i Dadamanana fa: “avelao hiasa izay te hiasa fa aza giazanareo ny lakilen’ny biraon’ny olona hafa, fa izay mbola te hitokona mahazo mitokona aloha». Fantatra mantsy izao fa misy ny fanerena ataon’ireo te hitokona ny mpiasa rehetra, eny fa na dia ireo efa nahazo ny volany tamin’ny "Bon de caisse" aza. Raha tsahivina moa dia resaka karama volana novambra nisy fahatarana noho ny figiazan’ny “régisseur” ny vola no niandohan’ity fitokonana ity ka nitatra tamina fitakiana hafa toy ny fanampiana amin’ny fampianarana sy ny sondro-karama 10%. Herinandro teo ho eo izao no nitokona ireto mpiasa ireto ary dia vola be ihany koa no very tao anatin’izay fotoana izay satria araka ny tsiliantsofina tamin’ireo mpiasa te hiasa dia mahatratra dimy tapitrisa ariary ny miditra amin’ny tsena indray andro nefa very daholo izany izao, ankoatra izay ny fidiram-bola hafa.
 
Fantatra koa fa efa nisy ny famindrana ny anjara volan’ny Kaominina tany amin’ny Centre Fiscal avy amin’ny alalan’ny hetra alaina amin’ny solika sy ny sisa ka efa vonona ny karaman’ireo mpiasa amin’ity herinandro ity. Fifandaminana amin’ny resaka banky no sisa araka ny tatitra ihany. Misedra olana amin’ny fako moa ny tanànan’Antsirabe amin’izao fety izao saingy nisy ny malala-tanana nanome fiarabe sy ny mpiasany nanala izay afaka nialoha ny krismasy teo saingy misongadina kosa ny loto ataon’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna teny amin’ny gara ny sasakalina teo. Tantara mitohy ihany ity resaka ity satria araka ny resak’ireo mpiasa dia efa misy vola mandehandeha any zaraina ho an’izay avy mitokona isaky ny hariva saingy fidifidiana ny mahazo, fa ny tsikaritra dia ny revy be alohan’ny fodiana, koa ahiana araka izany ny idiran’ny resaka ambadika amin’ny tsy fitiavana ny Ben’ny tanàna tsotra izao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT