Mbola nitohy ary tsy mbola hita ny fivoaran’ny raharaha fitakiana ataon’ny mpiasan’ny Kaominina Antsirabe I hatramin’ny omaly. Fantatra fa tonga nijery akaiky ity raharaha ity ny lehiben’ny Distrika Antsirabe I ary nampahafantatra ireo mpitokona fa misy ny lalàna ka tsy azo sakanana izay olona te hiasa rehefa nahazo ny volany izy ary tsy maintsy misy ny mpiasa mamita asa amin’ny maha fisahanana asam-bahoaka ny Kaominina.
Fantatra koa fa nanaiky hiresaka tamin-dRamatoa Ben’ny tanàna ihany ireto mpitokona ireto omaly ary koa namela ilay «régisseurs» amin’izao fotoana handrotsaka izay vola tany aminy ihany koa, ary nanaiky hanao «service minimum». Nametraka fepetra anefa izy ireo ka nilaza fa manome 48 ora ny Ben’ny tanàna hanome fanazavana ary ny Ben’ny tanàna kosa teo no eo dia nanome valin-teny fa raha mitokona ianareo dia aza manantena “mana avy any an-danitra”, efa roa andro no banga sahady ny vola miditra ka raha vao mainka mitohy izany dia na ny karama janoary aza mety tsy misy antenaina.
Efa lasa koa ny taratasy ho an’ny ministera mpiahy mampatsiahy ny anjara volan’ny Kaominina ka eo am-piandrasana izay valiny hatreto. Araka izany dia mbola tantara mitohy ity fiziriziriana eo amin’ny mpiasa sy ny Kaominina Antsirabe ity aloha hatreto izany. Tiana moa ny mampatsiahy fa ireo manana «Bon de caisse» dia efa milamina ny azy ny karama volana novambra, fa ireo manana kaonty any amin’ny Banky ka nanao «avance sur salaire» ireto mitabataba sy mitaona ny mpiasa hitokona ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.