Actualités

Kaominina Antsirabe Fitokonana mifono politika


  • Talata 21 Desambra 2010


Nisy andiana mpiasa nitokona teo anoloan’ny biraon’ny Kaominina Antsirabe omaly, nitaky karama volana novambra sy fanohanana ara-tsosialy. Araka ny fantatra dia ireo mpandray vola amin’ny banky no nisy fahatarana ny karama noho ny fandaminana teo anivon’ny Trésor fa nahazo ny azy ny mpandray “bon de caisse”. Mifono politika ihany anefa ny hetsika satria nokendren’ireto andiana mpiasa ireto ny fandalovan’ireo ministra FAT nanao piknika sady namboly hazo tany nisehoana mba hanaratsiana endrika ny fitantanana ao amin’ny Kaominina. Araka ny fantatra dia misy olona efa-dahy notorian’ny Kaominina taorian’ny fanadihadiana nataon’ny FAT farany teo satria banga 480 tapitrisa ny vola narotsany tany amin’ny Trésor ny taona 2010 ka efa naato tamin’ny asany izy ireo ka asa raha ireo no ao ambadiky ny hetsika satria misy olona te hiasa fa rahonan’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT