Actualités

Kaominina Antanetibe Mahazaza Nampivoatra ny fiainan’ny mponina ireo fotodrafitrasa vita


  • Talata 19 Jona 2018

Anisan’ny kaominina iray tena nisedra olana teo aloha teo ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Ratsy dia ratsy ny lalana mihazo ny kaominina, antony mahavitsy ireo taksibe miasa any an-toerana.

 

 Maharitra ora roa ny fiandrasana taksibe vao misy iray mandalo, hany ka voatery mitsangana sy miharitra ny hafanana ireo zokiolona sy vehivavy bevohoka. Tsy mba nanana sekoly sy tobim-pitsaboana ihany koa ny kaominina, antony nahamaro isa ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly any an-toerana. Taorian’ny fahatongavan’ny fikambanana Le lemurien de Madagascar  izay manana ny foibeny any Nantes France tany an-toerana anefa dia niova tanteraka izany. Nahazo EPP  sy CEG vaovao ny kaominina. izay samy mandray an-tanana ankizy an-jatony ankehitriny. Nahazo CSB II ihany koa izy ireo hanampiana ireo marary mila fitsaboana maika tsy maintsy mamonjy tobim-pitsaboana lavitra. Nandalo tany amin’ity kaominina ity ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny fikambanana. Nandritra izany no nilazany sy nanambarany fa hitohy hanome ody ambavafo ireo ankizy ao amin’ity kaominina ity ny fikambanana na efa mianatra na tsia hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo izay mianjady amin’ny tokantrano maro ankehitriny. Indray mandeha isan-kerinandro no hanatanterahany izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT