Noho ny fangatahan’ny mponina eny Andavamamba, Ilanivato, Anosipatrana iny, nanao fandaminana sy fanadiovana faobe teny an-toerana omaly ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
Nalamina ireo mpivarotra amoron-dalana mivarotra amin’ny lalana, nosokafana sy nodiovina ny dalle na ny tatatra ka nosokirina ireo fako manentsina ireo tatatra sy mahatonga ny lalana amin’iny faritra iny ho feno rano matetika, nesorina ny bozaka amin’ny toerana misy izany, nofafana ny lalana, nesorina ny fasika, namboarina ihany koa ny lalana rarivato mikorontana sy samba. Nanatanteraka ny asa teny an-toerana ny mpiasan’ny CUA foibe sy ny avy amin’ny Boriborintany 6, ny ekipa teknika ao amin’ny fiadidiana ny tanàna, ny mpamonjy voina, nisy ihany koa ireo mponina manodidina iny fokontany Andavamamba, Ilanivato ary Anosipatrana ao amin’ny Boriborintany faha-4 iny, nanampy tamin’ny fanatontosana izao fandaminana sy fanadiovana faobe izao. Mbola hitohy anio ny asa, ary hiitatra any amin’ireo Boriborintany 5 hafa eto an-drenivohitra. Nanentana ny mponina koa ny kaominina hitandro sy hanaja hatrany ny fahadiovana satria mandrora mitsilany ihany ny manary fako any anaty tatatra sy dalle, ny fahadiovan’ny tanàna, hoy ihany ny fiadidiana ny tanàna dia tombontsoa lehibe ho an’ny mponina. Amin’izao voalohany izao dia manentana sy mampianatra ny olona ny fahadiovana ny CUA, atsy ho atsy, hisy ny sazy ho an’ireo mbola minia tsy mitandro ny fahadiovana sy fandaminana ny tanàna. Ankoatra izay, amin’ny hankalazantsika ny fetim-pirenena tsy ho ela, hiaina anaty fahadiovana ny mponin’Antananarivo mialoha, sy mandritra ary ao aorian’io fetim-pirenena io.
Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.