Nidina ifotony nankahery ireo traboina vokatry ny tondradrano ao anatin’ny Distrika Amparafaravola ny lehiben’ny faritra Alaotra mangoro ny fiandohan’ny herinandro teo. Notsidihany voalohany tamin’izany ny tao amin’ny Kaominina Anorohoro izay manomboka heniky ny rano ny tanàna iray manontolo.
Mitsidika aty izahay, hoy ny lehiben’ny faritra Ramandehamanana Richard amin’ny maha iray antsika rehetra. Nanolotra vary 2t sy tsaramaso 360 kg ho an’ireo traboina 7484 tao an-toerana ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro mba hanamaivanana ny fahasahiranana manjo ireo vahoaka tratra ny tondradrano ireo. Fa tsy adinony koa ny nitsidika ny mponina tao Vohitsara izay fefiky ny rano tanteraka ny tanàna iray manontolo. Manodidina 5000 any ho any ny traboina, lakana no hafahana mifamezivezy any an-toerana. Olana ho an’ireo tanàna roa ireo ny rano fisotro madio satria lavadrano no hianteherana, kanefa ankehitriny efa dibodrano izany. Nampanantena ny lehibe ny faritra fa vonona hatrany hikarakara ireo vahoaka ao amin’ny faritra hiadidiany. Fitaratra ho an’ireo vato nasondrotry ny tany avy amin’iny faritra iny izao fihetsika natao ny lehibe ny faritra izao.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.