Traboina miisa 1.000 no nizarana fanampiana toy ny vary tao amin’ny kaominina Ampitatafika distrikan’Atsimondrano, omaly. Vary 4 kg isan’olona no nomena azy ireo. Ny talata lasa teo ny andiany voalohany izay nanomezana azy ireo ny 2 kg, araka ny fanazavan’ny
Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina raha omaly alakamisy kosa ny 2 kg ambiny. Fanampiana avy tamin’ny orinasa Orange Madagascar ireo vary ireo izay mitotaly 5 taonina. Mbola ho avy indray ny 5 taonina manaraka, fanampiana avy amin’ny mpandraharaha hafa nanolo-tanana azy ireo. Ankoatra ny sakafo hanina tahaka izao moa dia nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa mbola tena olan’ireo traboina ao aminy hatreto ny fiparitahan’ny valanaretina ankoatra ny fitaintainana ny amin’ny mety hianjeran’ny trano rehefa maina ny andro. Mangataka tolo-tanana amin’ny fanjakana izy, araka izany, entina hanampiana ireo vahoaka sahirana ao amin’ny faritra iadidiany ireo. Natrehan’ny solontenan’ny orinasa Orange Madagascar hatrany moa ny fizarana ireo fanampiana ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.