Nitondra fanazavana manokana mikasika ny fahavitan'ny asa fanamboaran-dalana anatina Fokontany maromaro ao amin'ny Kaominina iadidiany ny Ben'ny tanànan'Ampitatafika, Distrikan’Atsimondrano, Rado Ramparaoelina.
Miely sy mandeha mantsy ny feo fa famatsiam-bola avy tamina solombavambahoaka iray voafidy teny Atsimondrano teny no nahavitana ireo lalana ireo. Notsindrian-dRado Ramparaoelina tamin'izany ary vokatry ny ezaky ny Kaominina tamin'ny fangatahana fanampiana tamin'ny minisiteran'ny asa vaventy teo aloha no nahavitana ireo lalana ireo. Asa fanamboarana izay notsindriany fa mbola hitohy hatrany hanalana fahasahiranana ny vahoakan'Ampitatafika. Betsabetsaka ihany ny vola lany tamin'ny asa fanamboarana, hoy ihany ity Ben'ny tanàna ity ankoatra ny nanamboarana ireo lalana eny amin'ny lalam-pirenena voalohany simba noho ny rano maloto narian'ireo mpivarotra hani-masaka sy mpivaro-kena amin'ny arabe. Anisan'izany ny lalana avy any Vinany miditra an'Ampitatafika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.