Tsy niandry ela intsony ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga manoloana ireo trano tsy manara-dalŕna ao an-toerana fa dia niroso tamin’ny fandravana trano izy ireo ny herinandro teo.
Nianga avy tao amin’ny fokontany Aranta ny fandravana ary hitohy amin’ny fokontany sasany ao Mahajanga. Raha ny resaka mandeha dia avy amin’ny Pds teo aloha avokoa no namoaka ireo taratasy fahazoan-dalana manorina trano. Tsy nisy kosa anefa ny fanaraha-maso ataon’ny mpiasan’ny kaominina niara-niasa tamin’ny filohan’ny delegasiona teo aloha tao Mahajanga io. Taty aoriana anefa dia efa nahazo vahana ny fananganana trano tsy ara-dalàna ka voatery narodana. Saika isaky ny elakela-trano dia misy trano miorina ary tsy tokony ho eo amin’ny toerana hanorenana azy akory. Tsiahivina fa ny 80°/°-n’ny trano miorina ao an-toerana dia tsy ara-dalàna avokoa. Ny tranon’ny mpitondra fanjakana mihitsy ary ireo mpitarika fitokonana ao Mahajanga no tena manana trano tsy ara-dalàna ireo. Mipetraka ny fanontanian’ny vahoaka hoe mety ho anisan’ireo trano horavana koa ve ireo tranon’ny mpitondra fanjakana sy ny zanatany ao an-toerana io ?
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.