Actualités

Kaominina Ambohimanga Rova Mila toerana fitsaboana nify


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Tena mbola ambany dia ambany tokoa ny tahan’ireo olona tonga manara-maso ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ho antsika eto amin’ny Faritra Analamanga,

araka ny fanazavan’ny dokotera Rasolofonirina Renaud, tompon’andraikitra misahana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny sampandraharaha miadidy ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny Faritra Analamanga. Antony dia noho ny tsy fahampian’ny ivontoerana mifandraika amin’izany, eo ihany koa ny fitombon’ny mponina. Voatery midina ifotony mijery ny olana sedrain’ny mponina izy ireo, anisan’ny nandalovany  omaly ny tao amin’ny  kaominina Ambohimanga Rova, tafiditra ao anatin’ilay herinandrom-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava andiany fahavalo, tanterahina eto Analamanga. Fizaham-pahasalamana maimaimpoana marolafy no notanterahina, niarahana tamin’ireo dokotera eo anivon’ny CSB II any an-toerana sy ireo dokotera eo anivon’ny sampandraharaha miadidy ny fahasalamam-bahoaka ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Nahasarika olona marobe tokoa ny hetsika. Nahatratra ny 80 isa mantsy ireo nanala nify izay nomena fanafody mifandraika amin’izany,  50 isa nitily maso, raha  80 isa ihany koa ireo nitily ny aretina diabeta. Tena ambony dia ambony isa taha ireo, antony  nahatonga ny Ben’ny tanàna hanao antso avo ny hahafahana manangana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany ao an-toerana. Efa misy ny tany ao Manankasina fa ny fanjakana sisa no andrasana, hoy izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

Hijery ny tohiny
FTT