Actualités

Kaominina Ambohimandroso Ny 50%-n’ny ankizy no mandao ny sekoly


  • Sabotsy 24 Mey 2014

Nisy fiantraikiny ratsy teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana tany Alaotra ny krizy dimy taona teto amin’ny firenentsika. Misongadina izany ao amin’ny Kaominina Ambohimandroso, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanŕna Randriamanjara Raymond.

 Nanomboka tamin’ny taona 2012 dia niala tsikelikely ny sekoly ny ankizy ao amin’ny Kaominina iadidiany. Nomarihany fa ny antsasamanilan’ny mpianatra no miala an-daharana raha araka ny fanadihadiana eo am-pelatanan’izy ireo. Tsy fahampiana ara-bola eo amin’ireo ray aman-dreny no antony nahatonga ireo ankizy nandao ny sekoly tsy fidiny ary mandeha mikarama manampy ireo ray aman-dreny mitady izay harapaka isan’andro. Tany aloha dia afaka miantoka ankizy amin’ny fianarany ny Kaominina Ambohimandroso fa ankehitriny noho ny fahasahiranana mahazo ny Kaominina dia tsy afaka manao toy izany intsony izy ireo. Mbola ny EPP sy ny CEG ihany aloha no sekolim-panjakana misy any an-toerana fa ny tsy miankina no manao lisea. Hetahetan’ny Ben’ny tanàna ny hametrahana lisea iray any an-toerana mba hoentina hanampiana ireo ray aman-dreny tsy afaka mampianatra ny zanany amin’ireny sekoly handoavam-bola ireny. Manantena vahaolana avy amin’ny fitondrana foibe ny Ben’ny tanàna Randriamananjara Raymond eo amin’ny paik’ady hahafahana mamerina ny ankizy any an-tsekoly.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT