Actualités

Kaominina Ambohibary Nahitana trangana haromotana indray


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Nahitana ny trangana haromotana indray tao amin’ny kaominina Ambohibary-Sambaina, Distrikan’Antsirabe faharoa tato ato. Nahatratra 13 ny olona voakaikitry ny alika nandritra ny volana febroary ity, saingy nahazo fitsaboana ary voavonjy avokoa ireo olona ireo

 

. Rehefa nivaly ny fitiliana tany amin’ny “Institut Pasteur” dia voaporofo fa tena haromotana no nahazo ireo alika nanaikitra olona ireo. Raha ny nambaran-dRtoa Ratsimbazafy Gisèle Annick, Lefitry ny Ben’ny tanàna, dia nanaitra ny olona indray ny fahitana alika matimaty teny amin’ny Arabe tamin’ny alahady 15 febroary lasa teo dia izay heverin’ny maro fa mbola mety ho tohin’ity haromotana ity ihany. Nambarany fa tokony hisy ny hetsika ho famonoana alika mirenireny ao amin’ny kaominina Ambohibary saingy tsy manam-bola hatokana amin’izany ny kaominina. Manodidina ny 64.000 Ariary mantsy ny poizina fonosana iray natokana ho an’ny alika 100 raha ny nambarany. Efa nisy ny ezaka ho fitadiavana fanohanana tany amin’ireo solombavambahoaka saingy tsy mbola nisy valiny izany aloha hatreto kanefa tena hita fa maika ity resaka ity. Ankoatra ireo olona 13 voakaitra ireo moa dia nisy ondry 3 sy osy 2 koa voakaikitry ny alika romotra ireo ka voatery novoina sy nalevina.

Caïus R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT