Ny renirano iray mandeha ao amin’ny kaominina Ambalakida sisa no rano fisotro izay voalazan’ireo mponina fa tsy azo antoka. Misedra olana tanteraka izy ireo noho ny tsy fananana rano fisotro madio
. Tsy mbola misy hatramin’izay ny fanomezana rano avy amin’ny fanjakana na dia anisan’ireo kaominina nandray anjara tamin’ny fifidianana aza io kaominina io ka namoaka ny solombavambahoaka voafidy tao izay avy amin’ny vondrona Mapar. Mitaraina, araka izany, ireo vahoaka ao Ambalakida mba hanomezana rano fisotro madio azy ireo. Tsy ny olan’ny rano ihany anefa no sedrain’ireo mponina ao amin’io kaominina io fa eo koa ny tsy fisian’ny fampianarana tamin’ity taom-pianarana 2014-2015 ity. Tsy fahampian’ny mpampianatra no antony. Sekoly roa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ihany no misokatra ao amin’ny fokontany Antamafafy kaominina Ambalakida distrikan’i MahajangaII ka mpianatra 150 no afaka miditra ao an-tsekoly. Ny taona 1992 no niorenan’ireo sekoly ireo tao. Tsy mbola nisy mpampianatra tao raha tsy tamin’ity fitondrana repoblika fahefatra ity, hoy ireo mponina. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny fanabeazan-pirenena ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’io fokontany io satria dia efa tratran’ny taona fotsy ny fampianarana tany an-toerana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.