Actualités

Kaominina Alasora Nijery manokana ireo niangaran’ny vintana


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Zokiolona sy fianakaviana sahirana miisa 3.000 no notoloran’ny kaominina Alasora fanomezana toy ny vary 2 kg isan’olona sy menaka iray litatra avy ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianja maitso.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ny hetsika hahafahan’ireo niangaran’ny vintana mifaly toy ny olon-drehetra. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny totalim-bidin’ny fanomezana,  fanampiana avy amin’ny kaominina tarihin’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo  sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ankoatra ireo olona 3.000 isa ireo dia fianakaviana marobe izay voasokajy tena sahirana ihany koa no notolorana voamaina, vary, menaka ary bodofotsy izay notetezin’ny Ben’ny tanàna tany amin’ny faritra misy azy mihitsy. Tsy adinony ny nitso-drano ny Malagasy rehetra mba samy hanao fety amim-pilaminana sy ao anatin’ny hafaliana. Ho an’ny kaominina Alasora manokana dia rindran-kira ara-pilazantsara nandraisan’ireo mpanakanto havanana amin’izany no nisantarana ny fankalazana ny fety, omaly alahady teny Ankadindratombo. Hitohy amin’ny fizarana harendrina ho an’ny ankizy izany anio alatsinainy izay efa nialohavan’ny fanaovana didim-poitra maimaimpoana. Hofaranana amin’ny fandefasana afomanga sy fijerena ilay sarimihetsika Gisa mainty II rahampitso 26 jona hariva ny hetsika.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT