Actualités

KAOMININA ALASORA Fahombiazana ny taona 2022


  • Zoma 13 Janoary 2023

Fahombiazana tanteraka ny an’ny kaominina Alasora iny taona nivalona 2022 iny. Maro ireo asa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy

izay saika niompana tamin’ny fanabeazana, ny fikarakarana ny tanora, ny fanatanjahantena ary ny fialamboly.

ADY AMIN’NY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA

Saika voasarika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina avokoa amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy. Paikady hafa mihitsy araka izany no entin’ny kaominina Alasora hiarovana ireo tanora ao aminy. Maro ireo kianja ara-patanjahantena vita tao Alasora, asa mbola hiampita amin’ity taona vaovao 2023 ity. Anisan’izany ny asa fanamboarana ny kianja ao Est Mahazoarivo, izay natao bozaka maitso raha vovokabe teo aloha rehefa hilalaovana. Namboarina ihany koa ny kianja sentetika ao Ambohidrazaka izay efa nivarona tanteraka ny olana raha nisy nilaza ho tompon’ny tany teo aloha. Toraka izany ihany koa ny fanamboarana kianja filalaovana basket ao Miadana, hitohy amin’ny fanamboarana kianja filalaovana basket ao amin’ny kianja maitson’Alasora. Tanjona ny hiarovana ny tanora tsy hidonanam-poana na hitarika azy ireny amin’ny fidorohana na fandraisana zava-mahadomelina.

FANDRIAMPAHALEMANA

Nisongadina ihany koa ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana ho an’ny kaominina Alasora tamin’iny taona 2022 nivalona iny. Nahazo borigadin’ny zandarimariam-pirenena mantsy izy ireo izay notokanana tamim-pomba ofisialy tokoa. Nampitombo ireo zandary miasa ao Alasora ny fisian’izany. Ny kaominina Alasora no niantoka iray manontolo ny fanamboarana ny foto-drafitrasa raha ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena kosa no nanohana azy ireo tamin’ny lafiny teknika. Ankoatra io dia an-jatony ireo jiro napetaka tao Alasora izay naparitaka nanerana ny Fokontany mihitsy. Ezahina hotohizana amin’ity taona vaovao 2023 ity izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana.

FAMPIANARANA

Tsy latsa-danja amin’izany ny resaka fanabeazana. Tena zava-dehibe loatra ho an’ny kaominina Alasora mantsy ny fampianaran-jaza. Mikasika ny fanampiana nataon’ny kaominina fotsiny dia efa an-jatony ireo Ray aman-dReny notohanana tamin’iny taona nivalona 2022 iny nahafahany nampiditra ireo zanany tany an-tsekoly. Toraka izany ihany koa ny fanamboarana ireo sekoly ambaratonga fototra maromaro toy ny EPP ao Ampahibato sy Mendrikolovana. Toraka izany koa ny EPP ao Alasora izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Fondation Axian ary ny Telma, foto-drafitrasa hotokanana amin’ity taona vaovao 2023 ity. Nanamboatra ny trano fanampiny tao amin’ny lisea Alasora ihany koa ny kaominina nentina nanampiana ny Ray aman-dReny amin’ny hafahafahana mampitombo ny isan’ireo ankizy miditra an-tsekoly. Mbola niantoka manontolo ny sakafon’ireo ankizy mpianatra niatrika ny fanadinana CEPE farany teo ihany koa ny kaominina Alasora ankoatra ny vola nentina nampandehanan-draharahara teny anivon’ireo sekolim-panjakana vitsivitsy ao Alasora. Ny fanohanana ireo Ray aman-dReny mbola vesaran’ny karaman’ireo mpampianatra FRAM….

FAHADIOVAN’NY TANANA
Fa tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny fahadiovan’ny tanana ho an’ny kaominina Alasora. Na dia mitombo hatrany aza mantsy ny fako ao an-tanana dia miezaka mandroaka izany hatrany ny kaominina no sady nanampy isa ireo dabam-pako. Tanjona ny hahafahana mampihena ny fako mivangongo, ezaka izay hitan’ny Fitondram-panjakana ka nanoloran’ireto farany kamiao lehibe iray ho azy ireo na dia tsy nangataka aza ny kaominina. Tsy latsa-danja tamin’izany ny ady amin’ny tondra-drano. Mbola tany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina mantsy dia efa niezaka ny nanokatra ireo tata-drano nanerana ireo faritra iva tao aminy ny kaominina Alasora ka anisan’ireny ny eny amin’ny By pass. Vokany, tsy nahitana tondra-dranobe firy intsony teny an-toerana na dia vao miandoha aza ny fotoam-pahavaratra, asa izay nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa hotohizana hatrany.

Pati
Legende Ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT