Mbola ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonany ny Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara (FIMPIMA) ankehitriny. Raha tsiahivina dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina izany ny volana jona 2013.
Nisy hatrany ny Fanilo niampita teto Madagasikara, nitety ny faritany rehetra : Mahajanga, Antsiranana, Toliara hatramin’ny volana martsa lasa teo ary 6000km eo no vita. Tamin’ny 5 aprily kosa no tonga tany Frantsa izany fanilo izany, niampita ny 10 000km manafana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fiarovana sy fanondrotana ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary. Efa nitety an’i Lyon, Marseille, Toulouse... ary tsy hijanona raha tsy amin’ny 26 aprily ao Paris.
3200km no vita tany ampitan-dranomasina tao anatin’ny herinandro. Hatreto izany dia 19 200 km no lalan’ny fanilon’ny faha-50 taona. Hanamarika ny faha-50 taona nijoroan’ny FIMPIMA ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny kabary. Tsy ny Malagasy ihany fa teratany vahiny maro no handray anjara amin’izany toa an’i Corée, Sénégal, France, Laos, Nouvelle Calédonie, Mexique. Lohahevitry ny fikaonan-doha ny hoe “Ny kabary : andrim-piarahamonina nentim-paharazana, antoky ny fampandrosoana”.
Ao amin’ny oniversite Sorbonne ao Paris no hanatanterahana ny adihevitra ary mahazo tombony manokana afaka manaraka sy mandray anjara mivantana amin’ny fikaonandoha isika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny «visioconférence». Afaka manatrika izany maimaimpoana izay rehetra liana toy ny mpianatra, mpikaroka, mpanabe, mpandala ny kabary ny zoma 25 aprily izao manomboka amin’ny 10 ora maraina ao Ambohitsaina (salle de thèse). Hiompana amin’ny lohahevitra marolafy ny fikaonan-doha ohatra ny hoe : «Mby aiza ny kabary sy ny Mpikabary ? Inona no anjara toeran’ny kabary eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ? ahoana ny hoavin’ity harentsaina ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.