Efa manomboka ny fandrafetana governemanta amin`izao fotoana izao, Andrasana hatrany ny governemanta Ntsay Christian mba hamaha ny olana sy fitakiana ataon`ireo mpitolona.
Nanizingizina mihitsy ny tompon’andraiki-panjakana teo aloha ny amin’ireo haino aman-jery tsy mahazo misokatra noho ny antony samihafa. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny haino aman-jery MBS sy ny onjam-peo Radio MADA. Amin`izao ankatoky ny fifidianana izao dia tsy mety intsony raha ny antoko HVM no mbola hitantana ny minisiteran`ny serasera manoloana ny zava-misy ary betsaka ny onjam-peo nisokatra tamin`ity fitondrana ity satria maro ihany koa ireo mpila ranondranony. Raha ny nambaran`i Joel Ralaivaohita, talen`ny famoahan`ny vondrona MBS, “ny fitondrana manokatra tsy olana fa izy tsy manokatra ny hafa no olana. Ny azy sy ny mpiara-miasa aminy nosokafany“. Ho an`ity talen`ny famoahana ity dia tompon`andraikitra tena mandala ny fahalalahan`ny rehetra sy manaiky ny fanehoan-kevitra no tokony hitantana ny minisiteran`ny Serasera, olona hamaha olana faran`izay haingana. Ao anatin`ny fitakian`ny depiote ny fanohanana ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny, fampiharana ny didin`ny HCC no tokony ho lalan-kizorana. Antenaina fa tsy misy intsony ny fanelingelenana satria raha ny tokony ho izy, misy lalana roa amin`ny lafiny lalàna no hahafahana mampanaiky ny fanokafana ny MBS amin`ny fitondram-panjakana. Voalohany, foanan`ny minisiteran`ny serasera ny taratasy navoakany tamin`ny taona 2015 izay taratasy nampiato ny fahazoan-dalan`ny MBS. Faharoa, tokony handray ny andraikiny ny fanjakana satria misy ny fitoriana napetraka teny anivon`ny Fitsarana Tampony. Raha tsiahivina, ny radio MBS dia efa nanao andrana teo amin`ny telo herinandro ary tany am-piandohana nisy nanembantsembana ka ajanona sy alefa matetika. Nisy fotoana mitohy ny ankasoparana saingy mitohy hatrany foana ny fanandramana ara-teknika. Misy hatrany ny fifandraisana ara-politika ka ny faniriana, miravona ny resaka politika mba hahitana marimaritra iraisana. Efa miroso amin`ny fanamboarana ny eny amin’ny foiben’ny MBS eny Anosipatrana sy toerana hafa kanefa asa maromaro no tsy maintsy tanterahina ary miandry ny akony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.