Actualités

JIRAMA Tolagnaro Mametsifetsy ny mpanjifa …


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Aloa manontolo mialoha any amin'ny jirama ny vola rehetra (devis). Vola ho saran'ny fampidirana jiro.

 

 Tsy mahazo mitaraina ary tsy azo takiana ihany koa ny vola efa naloa. Io no hita amin'ny taratasy omen'ny tomponandraikitra misahana ny fanjifana sy ny varotra aminy. Maro ireo te hampiditra jiro amin'ny tranony any an-drenivohitra  Anosy no tratran'izany.  Ny taona  2013 no efa nandoa ny vola ireo te hampiditra kaontera. Nanantena ny tomponandraikitra fa rehefa misy ny fitaovana, izy ireny no laharam-pahamehana. Ny mifanohitra amin'izany anefa no iainana. Amin'ireo mpanjifa dia midika ho fametsifetsena  azy ireo ny fomba fiasan'ny JIRAMA ao Taolagnaro ka  ilana fanaraha-maso. Mazana mbola miaina amin'ny faktiora midangana izy ireo. Ny QMM rahateo no niantoka ny jiro sy ny rano ho an'i Taolagnaro renivohitra. Tombanana fa tsy tokony hisy olana.

 

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT