Manomboka miarina ny Jirama Toamasina taorian’ny fanatsarana sy fanavaozana natao taminy nanomboka ny taona 2007 hatramin’izao, tamin’ny fanafarana ireo fitaovana vaovao famokarana herinaratra sy niarahana niasa tamin’ny Indiana sy Sinoa tamin’ny fametrahana izany.
Misedra olana anefa ny Jirama Toamasina noho ireo trosa miavosa tsy miditra ao amin’ny kitapom-bolany, izay mananika avo efatra heny ny vola miditra isam-bolana aminy. Fantatra fa ny 90% amin’io trosa tsy voaloa io dia an’ny Fanjakana (tsy anatiny ny Kaominina) amin’ny alalan’ireo tranom-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony mipetraka amin’ny tranom-panjakana avokoa, ary ny ¾ ny trosam-panjakana tsy voaloa dia an’ny oniversiten’i Toamasina, amin’ireo filany jiro sy rano be dia be ho an’ireo mpianatra monina eny Barikadimy. Manodidina ny 2.500 tapitrisa ariary isam-bolana eo ny vola miditra amin’ny Jirama Toamasina amin’ireo vidin-jiro sy rano ary ireo vola hafa fandoa aminy.
Raha eo amin’ny mpanjifa tsotra miisa 26.985 amin’ny jiro sy 9.070 amin’ny rano, dia ny 80% an’ireo dia ara-potoana avokoa ny fandoavany ny laniny na teo aza ny krizy, ny tsapa fotsiny dia eo amin’ny lanin’ireo mpanjifa tsotra ireo no hita fa nihena betsaka indrindra ny teo amin’ny rano. Ireo 20% ambiny kosa dia misy ny mandoa fa somary tara ilay folo andro fe-potoana, eo kosa ireo tena tsy mandoa mihitsy ka nisian’ny fanendahana kaontera niisa 20 isam-bolana ny taona lasa. Teo amin’ireo mpanjifa goavana izay misy ireo tranombarotra goavana sy orinasa samihafa, dia nahatratra 85% ny taham-pahavitrihana teo amin’izy ireo nandoa ara-dalàna ny jiro sy rano laniny, ho azy ireto anefa no tena nahitana fitsitsiana goavana hialana amin’ny fatiantoka, ka hampikatona ny orinasa na ny tranombarotra. Na izany aza, very vola mahatratra 400 tapitrisa ariary be izao ny Jirama Toamasina tamin’ny fahamaizana sy fahasimbana ary fikatonan’ireo orinasa sy tranombarotra samihafa vokatr’ity krizy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.